Anac Analamanga: hiaka-tsehatra ny mpianatra

Tanterahina anio, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro, eny amin’ny foibe toeran’ny Anac, eny amin’ny Tranombo­kim-pirenena, Anosy, ny he­tsika “Anao ny sehatra”. He­tsika hampisehoan’ny mpianatra avy eo anivon’ny Anac ny fahaiza-manao sy ny fahai­zana norantoviny nandritra ny fianarany. Mahatratra 19 izy ireo no hampiseho ny fahaizany amin’io fotoana io. Mpia­natra mozika, piano, guitare, violon, violoncelle ary percussions.
Mitohy hatrany ny fahombiazana eo amin’ny Anac na Académie Nationale des Arts et de la Cultures, sampana Analamanga. Taorian’ny fa­moahana mpianatra maro. Nahavita ny fianarana sy ny fiofanany ihany koa ireto mpianatra ireto. Am-bolana maro no nanaovany fiofanana vao tonga amin’izao izy ireo. Manana ny maha izy azy, ary sangany eo amin’ny haikanto avokoa ny mpianatra avoakan’ ity ivontoeram-panofanana ity.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: