Ankazobe : Lavo i Lako tanan-kavan’ Yarisy

Maty voatifitry ny zandary avy ao Ankazobe, omaly, i Lako. Dahalo raindahiny sy tanan-kavan’Yarisy, isan’ ireo namono olona tao Am­bohitriniandriana, kaominina Ambolotarakely.
Tsikaritry ny fokonolona nihaodihaody tao Merinkan­jaka, fokontany Anosikely ity malaso ikoizana ity. Voka­ny, nampandrenesina ny zandary ka niditra an-tsehatra avy hatrany nitady azy. Izy rahateo efa nifampitadiavana hatry ny ela. Nitifitra anefa i Lako vantany vao nahatazana ny mpitandro filaminana. Tsy nanaiky lembenana ny zandary ka namaly tifitra azy koa. Lavo tamin’izay ny lehilahy, azo teny aminy ny basim-borona nampiasainy. Teo koa ireo ody gasy samihafa teny aminy. Tsiahivina fa isan’ ireo mpiray dia amin’Yarisy ity dahalo ity. Isan’ireo nandoro ny tanàna tao Ambohi­triniandriana, kaominina Ambolotarakely, nahafatesana olona 32, ny 29 jolay 2022 teo koa izy. Taorian’io, maro ireo jiolahy efa voasambotra sy migadra voasaringotra tamin’iny raharaha iny. Tao koa ireo maty voatifitra nandritra ny fifandonana. Mbola mitohy, araka izany, ny hazalambo an’ireo olon-dratsy nahavanon-doza tamin’iny vono olona maha­tsiravina iny.

Henintsoa H.

Partager sur: