Tsy ny fitetezam-paritra fotsiny ihany no iomanan’Andrianainarivelo fa efa miomana amin’ny vinany sy ny heviny momba ny fampandrosona an’i Madagasikara sy Afrika, amin’ny alalan’ny fitsidihany firenena maro any ivelany.
Mitsidika an’i Eoropa ny filoha nasionalin’ ny Antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo, ankehitriny. Mihaona amin’ny tompon’andraikitra ara-politika sy ara-toekarena isan-karazany ary hiatrika ny fivoriana avo lenta roa sosona mahakasika an’i Afrika ihany koa. Nihaona tamin’ny vaomieran’ny raharaham-bahiny ao amin’ny Antenimierampirenena frantsay, Jean Louis Bourlanges izy, ary nihaona ihany koa tamin’ny mpanangana ny fikambanana “Nouvelles Frontières”, Jacques Maillot, izay sady mpanangana ny “Corsair” ihany koa. Ny fihaonana tamin’ity farany moa dia nifantoka bebe kokoa tamin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara sy ny fampivoarana ny fifandraisana ana habakabaka.
Ny zoma teo dia tao Lis-bonne, Portugal, no niatrika fivoriana ny tenany niaraka tamin’ireo mpikambana afrikanina ao amin’ny Internatinale Démocrate-Centriste (IDC), mba hiresahana momba ny demokrasia eto Afrika. Noho izany, niompana tamin’ny fampiasana ny teknolojia ho fampiroboroboana ny demokrasia eto Afrika ny anjara fitenenan’Andrianainarivelo Hajo izay sady fotoana nahafahany namelabelatra ny vinany mahakasika an’i Afrika, indrindra fa momba ny fifidianana. Nanatrika ity fivoriana tao Lisbonne ity i Umaro Sissoco Embalo, filohan’ny Repoblikan’i Guinée Bissau no sady filohan’ny Cedeao, Ulisse Correia e Silva, Praiministra Cap Vert sady filohan’ny IDC aty Afrika.
Aorian’ity fihaonana tao Lisbonne ity, hitodi-doha ho any Bruxelles, Belgique indray Andrianainarivelo Hajo ny talata ho avy izao handray anjara amin’ny Africa Politivcal Outlook izay hiresahana ireo fanamby lehibe mahakasika ny fahaiza-mitantana aty amin’ny kaontinanta afrikanina. Ny lohahevitra amin’izany ny hoe “2023: fahaiza-mitantana, fametrahana ny demokrasia ary fanamafisana ireo andrimpanjakana aty Afrika”. Manam-pahaizana eo amin’ny sehatry ny politika sy ny toekarena avy eto Afrika sy manerana izao tontolo izao no ho avy amin’io fivoriana io.
Lin (Mpianatra asa)