Covid-19 aty Afrika: “Tokony hotohizana ny vaksiny sy ny fepetra fiarovana”

Telo taona taorian’ny nisehoan’ny vanalaretina Covid-19, ahoana ny zava-misy aty Afrika? Io ny lo­hahevitra nifampizarana tamin’ny tomponandraikitry ny Sampandrahara­han’ ny Firenena mikambana misahana ny fahasalama (OMS) aty Afrika sy ny tam­bajotran’ny mpanao gazety aty Afrika ho an’ny fampivoarana ny fahasalamana sy ny tontolo iainana (Remap­sen) tamin’ity volana ity, tamin’ny fivoriana ampitain-davitra (webinaire). 26 ny firenena mpikambana ao anatin’ny Remapsen ka anisany i Madagasikara. Manana traikefa kokoa i Afrika raha mitaha amin’ny firenena maneran-tany manoloana ny fiatrehana ny Covid-19, hoy ny tomponandraikitry ny Covid-19 aty Afrika eo anivon’ny OMS, Thierno Baldé. Azo ambara fa mitonitony ny valanaretina amin’izao fotoana izao fa mbola misy ihany anefa ireo maty vokatr’ity tsimokaretina ity. Noho izany, ilaina ny manohy ny fepetra sakana samihafa toy ny fitondrana ny arovava orona, indrindra raha voan’ny gripa na kohoka, hoy ny fanamarihany. Mila entanina koa ny vahoaka hanao vaksiny ary voakasika manokana ny olona marefo (zokiolona, ireo manana aretina mitaiza toy ny manana tosi-dra avo, diabetika…). Tokony ho mailo hatrany ny mpitondra fanjakana sy ny mpiasan’ny fahasalamana ary vonona hiatrika ny valanaretina raha mirongatra tampoka indray ny Covid-19. Momba ny fandraisana an-tanana ny valanaretina, maro ny firenena taty Afrika nikaroka fanafody iadiana amin’ny Covid-19 ary nanohana tamin’ny lafiny teknika sy vola ny OMS. Tafiditra amin’izany ny fampiasana ny CVO anatin’ny fanafody omena ny marary aty Madaga­si­kara. Manana vaomiera manokana ny OMS mijery ny fanomezana ny fankatoavana mialoha ny hampiasana ny vokatry ny fikarohana ho an’ny marary.

Vonjy

Partager sur: