Nanao rodobe manoloana ny Lapan’ny fitsarana, omaly, ny havan’ilay ankizilahikely hita faty teny Tanjombato, ny alahady teo. Niakatra fampanoavana tamin’io fotoana io koa ireo voasambotra sy
voasaringotra ka nalefa eny Antanimora ny efatra raha eny Tsiafahy kosa ny iray.
Niatrika ireo mpitsara mpanao famotorana, omaly, ireo olona voarohirohy naka an-keriny sy namono an’ilay ankizilahikely 10 taona hita faty tetsy Tanjombato, ny alahady teo. Taorian’izay, naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora avokoa ireo efatra voasambotra. Nalefa eny Tsiafahy kosa ny iray hafa voasaringotra tamin’ity raharaha ity. Omaly ihany, nanao rodobe avy etsy 67ha avaratra atsinanana namonjy ny Tribonaly Anosy ny fianakavian’ilay zazalahikely io. Nilanja ny sarin’ilay maty izy ireo ary nitaky ny marina teo anoloan’ny Lapan’ny fitsarana.
Ankoatra izay, tontosa ny alakamisy teo, tany Ambohimahatsara Volazato Imady, faritra Amoron’i Mania ihany koa ny fandevenana an’ilay ankizilahikely tsy manan-tsiny.
Nitaraina
Tsiahivina fa tsy hita ny sabotsy lasa teo ity ankizilahikely ity raha nilalao niaraka tamin’ireo namany roa lahy hafa tetsy 67 ha. Nisy niantso izy ireo tamin’izay ary notambatambazana hividianan-javatra saingy tsy nandeha ireo namany. Izy kosa nanaraka ilay olona, noho izy mahafantatr’azy ka tsy nisalasala nanatona. Nanomboka teo, tsy nandrenesam-baovao ilay zaza. Taorian’izay, niantso ny ray aman-dreniny ireo mpaka an-keriny ka nangataka vola mitentina 10 tapitrisa Ar. “Tsy nanana afa-tsy 7 hetsy Ar ny ray aman-dreniny ka nalefa tamin’ny “Cash point” ny vola”, hoy ireo havany. Ny ampitson’io, niverina niantso indray ireo jiolahy ka nitaky ilay vola nangatahiny. Rehefa nalefa ilay vola dia nilaza izy ireo fa azo alaina eny Tanjombato ilay takalon’aina.
Indrisy anefa fa fatin’ilay ankizilahikely nifatotra tanana aman-tongotra no hita teny Ankeniheny, natsingevan’ny ranon’ Ikopa. Araka izany, nitondra ny raharaha teny amin’ny mpitandro filaminana ny havan’ny maty. Nisy ny rodobe nataon’ireo fianakaviana ny talata teo, nanoloana ny kaomisaria etsy 67 ha. Nitaraina sy nitaky ny marina ny zanak’ Imady momba ity vono olona ity. Vokany, nitohy ny famotorana ka voasambotra teny Ambohimanambola, afakomaly, ireo voarohirohy, hoy hatrany ireo havan’ny maty.
Henintsoa Hani