Nandroso sosonkevitra ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Unesco, amin’ny fanatsarana ny fitantanana sy fiarovanana ny zon’ny mpamorona. Toraka izany koa ny fikajiana ireo tahirin-kevitra tranainy.
Tontosa omaly ilay fikaonandoha iraisam-pirenena handinihana ny fomba hitantanana ny aterineto sy ireo tambajotran-tserasera naterany mba hiantohana ny fahalalahana miteny sy hiarovana ny demokrasia, natao tany Paris. Nitarika ny delegasiona malagasy nanatrika izany ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Andriatongarivo Rakotondrazafy Lalatiana. Ankoatra ny tafa nifanaovany tamin’i Audrey Azoulay, tale jeneralin’ny Unesco, nihaona tamin’ireo tomponandrakitra ambony hafa misahana ny kolontsaina sy ny serasera ao amin’ity sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana ity ihany koa ny minisitra.
« Tokony hiantohana ny fiarovana ny tombotsoan’ny mpanakanto mpamorona eo anatrehan’ny fivoaran’ireo « plateformes streaming » sy amin’ireo tambajotran-tserasera. Vonona ny hanampy an’i Madagasikara amin’ny fametrahana ireo fanavaozana ara-kajy mirindra tian-koentina eo anivon’ny Omda ny Unesco, satria tena fandaharanasa mifandraika amin’ny tanjona apetrak’ity rafitra eo anivon’ny Firenena Mikambana ity ny ho fiarovana ny mpamorona ao anatin’ny fivoaran’ny teknolojia ankehitriny ». Io no anisan’ny votoatin’ny fihaonan’ny minisitra tamin’i Toussaint Tiendrebeogo, sekretera eo anivon’ny Unesco, misahana ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fikajiana sy ny fampiroboroboana ny endrika samihafa hanehoana ny Kolontsaina (diversité de l’expression culturelle).
Ankoatra izay, nifantoka tamin’ny fandinihana ny fomba entina hampidirana ireo singa ara-kolontsaina (dimension culturelle) amin’ny fandrafetana ilay antontan-kevitra hamaritra ireo fotokevi-dehibe hitantanana ny aterineto sy ireo tambajotran-tserasera ny fihaonana teo amin’ny roa tonta. Notsindrian-dRamatoa minisitra manokana ny tokony hampidirana anatin’izay fitsipika handrindrana ny aterineto sy ny tambajotran-tserasera izay ny fanajana ny soatoavin’ny firenena tsirairay. Teo koa ny tokony hametrahana ireo mpandraharahan’ny tambajotran-tserasera amin’ny andraikiny sy ny hitakiana amin’izy ireo hanome lanja ny fampiasana ny tenindreny.
Fikajiana ireo tahirin-kevitra tranainy
Nifanindran-dalana tamin’ ny fikaonandoha ihany koa ny fihaonan’ny’ny Tale jeneraly lefitry ny Unesco misahana ny serasera sy ny fampahalalam-baovao, Tawfik Jelassi sy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina. Nivoitra nandritra izany ny fahavononan’ny Unesco hifanampy amin’i Madagasikara amin’ny fikajiana ireo tahirin-kevitra tranainy malagasy (héritage documentaire) toy ny boky tranainy mirakitra ny tantaram-pirenena izay tehirizina ao amin’ny Tranombokim-pirenena amin’ny alalan’ny famadihana azy ireo ho nomerika.
Randria.