Olan’ny rugby: toherin’ny ligy Rakotozafy Rosa

Tsy mankasitraka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahan­tena, Rakotozafy Rosa ireo filohan’ny ligy dimy mpanohitra an-dRakotomalala Mar­cel, filohan’ny Malagasy Rugby. Nomen-dRamatoa Rosa ny filohan’ny Malagasy Rugby ny taratasy fahazoan-dalana na « certificat de con­formité », ny 13 febroary lasa teo. Naneho ny alahelony momba izany ireo filohan’ny ligy Betsiboka, Menabe, Anosy, Vakinankaratra, Atsinanana, ny alakamisy lasa teo.
Mitaky ny hanaovana ny fivoriambe tsy ara-potoana ny mpanohitra. Tsy manaiky ny nahalany an-dRakotomalala Marcel izy ireo. Tsy feno, hoy izy ireo, ny fetr’isa takiana tamin’ny fifidianana. Midika izany fa mitsipaka ny lalàm-pifidianana Ramatoa Rosa. “Miteraka olana eo amin’ny tontolon’ny rugby ny hetsika nataon-dRakotozafy Rosa”, hoy ihany izy ireo. Nohama­fisiny fa tsy nisy solontenan’ ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ny fifidianana natao tany Toliara. Tsy misy ny fivoriana mialoha ny fifidianana. Tsy misy mi­hitsy ny tatitra ara-bola, teknika ary moraly. Araka ny sata mifehy ny rugby, tokony hampahafantarina an’ireo filohan’ ny ligy ny komitim-pifidia­nana, saingy tsy nanao izany ity filohan’ny Malagasy Rugby ity.
Marihina fa hamonjy ny fivoriamben’ny Afrika Rugby izay atao any Cap Town, Rako­tomalala Marcel.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: