Hotanterahina ny alahady 26 febroary 2023, eny amin’ ny Ivokolo Analakely ny fampisehoana vakodrazana, iarahana amin’ny Tarika Rakotofrah Junior sy ny Akon’ny Diary. Fampisehoana iarahan’ ny Office Nationale des Arts et de la Cultures na OFNAC misalaha amin’ny minisiteran’ ny Serasera sy ny kolontsaina ny fanatanterahana azy, miaraka amin’ny fikambanan’ny mpanao vakodrazana malagasy. Tanjona amin’izao ny fampiroboroboana ny kolontsaina malagasy sy famerenana ny hasin’izany. Ny vakodrazana izay isan’ny kolontsaina manana ny maha izy azy eto Madagasikara.
Tsy mitsahatra ny manao ny ezaka rehetra hampiroboroboana ny kolontsaina malagasy ny minisitera misahana izany. Isan’izany ity hetsika tanterahina ny alahady izao ity. Nofidina manokana ny vakodrazana no izy kolontsaina mbola voatazona ankehitriny. Tanjona ny hampitàna ny vakodrazana amin’ny taranaka aty aoriana. Izany indrindra no nisafidianana ny tarika Rakotofrah Junior, izay tarika manana ny maha izy azy eo amin’ ny vakodrazana sy ny tarika Akon’ny Diary izay tanora sy ankizy no mandrafitra azy.
Lin (Mpianatra asa)