Takaitra navelan’ny rivodoza : « An-kianja avokoa ny miaramila… », hoy ny MDN

Manome tanana ny va­hoaka ao Mahanoro amin’ny fanarenana ny simba koa ny miaramila avy ao amin’ny ZDS Pangalana. Araka ny toromarika napetraky ny mi­nisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoari­jaona Josoa dia an-kianja avokoa ny miaramila. Manampy amin’ny fanarenana ny takaitra navelan’ny rivodoza ny miaramila amin’izao fotoana izao. Ankoatra ny fanomezan-tanana amin’ny fanarenana ireo trano simba, manala ny hazo nianjera sy manapaka ireo mbola ahina hitera-doza koa izy ireo. Na eo aza izany, manao fisafoana mba hanamafisana ny fandriampahalemana ary manao fizaham-pahasalamana maimaim-poana koa ireo miaramila mpanampy misehatra any an-toerana.
Olona maro koa no voa­tery nafindra nihazo ireo toerana fandraisana traboina tao amin’ny fokontany Ampasy, Morondava tamin’ny fanda­lovan’ny rivodoza Freddy. Niroso tamin’ny fanampiana ireo traboina ny teo anivon’ny 7 unité de protection civile. Nahitana fiakarany ny rano nateraky ny rotsak’orana tany an-toerana. Mitohy, araka izany, ny famonjena ireo traboina ataon’ireo miaramila mpamponjy voina avy ao amin’ny holafy fahafiton’ny vondrona vonjy voina (7UPC), araka ny toromarika voarain’izy ireo avy amin’ny etamajaorin’ny Tafika. Olona 36 no nampiana noho ny fiakaran’ny rano. Efa napetraka amin’ny toerana azo antoka kosa izy ireo mandra-pidinan’ny rano.

Jean Claude

Partager sur: