Takaitran’i Freddy: 80 409 ireo traboina amin’ny faritra fito

Fito ny olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Freddy, araka ny tatitry ny BNGRC omaly maraina. Telo maty vokatry ny fianjeran’ny trano, efatra maty an-drano avokoa. 80 409 ny traboina avy amin’ny tokantrano 20 501 anatin’ny faritra fito voakasika: Vatovavy, Fito­vinany, Atsimo Atsina­nana, Atsinanana, Matsiatra Am­bony, Menabe ary Amo­ron’i Mania. 54 ny toeram-pandraisana ireo olona na­findra monina mialoha izay mahatratra 23 450 anatin’ny tokantrano 5660. Ny faritra Fitovinany sy Vato­vavy no nahitana ny ankamaroan’ny foibe fandrai­sana.
Momba ny fotodrafitrasa, 1 206 ny trano rava, 3 079 feno rano ary 10 185 nahitana fahasimbana. Mitom­bo isan’andro ny olona tra­boina avy amin’ny tatitry ny mpiasa eny ifotony. Ahina ho tapaka tanteraka ny lalana ao Isandra (RN 42) noho ny fisian’ny lavakabe ao amin’ny kaominina Nasandratrony. Betsaka ny sekoly simban’ny rivotra sy ny rotsakorana ka Dren dimy no voakasika. 41 ny fotodrafitrasa nahitana faha­simbana, manana mpianatra 6000 mahery.

Nanainga, omaly, ny olona hanombana ny fahasimbana taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy.

Vonjy

Partager sur: