Takaitran’ny rivodoza : nitondra fanampiana ho an’ny traboina ny filoha Rajoelina Andry

Nidina tany Mananjary nitsidika ireo traboina noho ny rivodoza Freddy ny fitondram-panjakana notarihin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, omaly. Nitondra fa­nampiana ho an’ireo traboina izy ireo nandritra ity fidinana ifotony ity. Nankasitraka ny fitondram-panjakana, in­drin­dra ny filoham-pirenena ireo olom-boafidy miahy ny tanànan’i Mananjary. “Sitraka enti-matory izao ataonao anay izao ka valinay rehefa tonga ilay fotoana. Aza hadinoina ny olona nanasoa antsika”, hoy i Denis Franconio, ben’ny Tanànan’i Mananjary.

“Mila mifarimbona isika rehetra. Izay no ahatongavako eto satria mila mandray andraikitra ny olom-pirenena tsirairay avy”, hoy ny filoham-pirenena. Maro ny ezaka ataon’ny fanjakana amin’ny fanarenana ny fiainan’ny va­hoakan’ny faritra Vatovavy, indrindra ny tanànan’i Ma­nan­jary. Fanampiana ilaina amin’ny fiainana andavanandro sahala amin’ny menaka sy siramamy ary vary… moto ho an’ny ben’ny Tanàna, fiara fitondrana marary, sakafo mafana, vola 200 000Ar isaky ny fianakaviana no nentin’ny fitondram-panjakana notarihin’ny filoha, nandritra izao famangiana ny tanànan’i Ma­nanjary izao. Marihina fa na­hatratra 38 323 ny traboina ao amin’ny tanànan’i Ma­nanjary.
Fanamboarana fotodrafitrasa
Ankoatra izay, nisy ny fampanantenana ny amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa ho an’i Mananjary sy ny faritra Vatovavy. Anisan’izany ny fananganana ny hopitaly manara-penitra, ny fanarenana ny lalam-pirenena faha-11 sy ny tetezana ao Anjilazila. Anisan ‘ny tanàna 36 hametrahana ny “parc solaire” ihany koa i Mananjary, araka ny nambaran’ny filoha. Teo ihany koa ny fampiofanana isan-karazany ho an’ny vehivavy. “Eo anilanareo mandrakariva aho”, hoy ny filoham-pirenena. Nisy ihany koa ny fizarana ny sakafo mafana ho an’ny traboina teny amin’ny Centre Bethleem, nanditra ny fitsidihana, ankoatra ny asa tanamaro nanarenana izay simban’ny rivodoza.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: