Tompony nangataka atiny ! Tsy raikitra ny fifampiarahabana tratry ny taona saika hataon’ny antoko Tim, tao Behoririka. Nobahanan’ny mpitandro filaminana ny toerana.
Tsy tontosa araka ny nandrafetan’ny tompon’andraikitry ny antoko Tiako i Madagasikara na TIM, eto Antananarivo renivohitra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona nokasain’izy ireo natao, omaly. Tsy navelan’ny mpitandro filaminana hidirana ny foiben’ny Magro, Behoririka. Nisy ny fifampiresahana teo amin’ny mpitarika ny hetsika sy ny avy eo anivon’ny Emmo-Nat, saingy nirava maina.
Vao maraina, tomefy mpitandro filaminana ny manodidina ity toerana manokana an’ny filoha mpanorina ny antoko ity, Ravalomanana Marc. Tsy nisy ny fifampiraharahan azo natao. Andaniny, nazava ny avy amin’ny mpitandro filaminana fa baiko ny azy ireo. Ankilany, nangataka fanazavana ny solombavambahoaka avy amin’ny antoko. “Tsy manara-dalàna avokoa ny mpitondra rehetra eto amin’ny firenena. Tsy tokony hosakanana ny hetsika ataonay satria zonay amin’ny maha antoko politika anay ny manao hetsika sahala amin’ izao. Faharoa, an’ny filohan’ ny antokonay ity toerana ity ka tsy anananareo fahefana velively”, hoy izy.
Nafindra
Rehefa tsy hita ny marimaritra niraisana, tsy tafiditra tao amin’ny Magro ny mpomba ny Tim, dia nikisaka teny Bel’Air Ampandrana. Nanentana ny mpanara-dia azy hihazo ny foibe toeran’ny Antoko Tim ny mpitarika. Nitanjozotra tamim-pilaminana, namakivaky tanàna ny mpanara-dia ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Ity farany izay nitaona ny mpilanona mba ho tony hatrany. Nitaona ny mpanara-dia azy tsy hihantsy mpitandro filaminana na hitarika korontana izy.
Ankoatra izay, manentana ny vahoaka, indrindra ny mpanara-dia azy, ny filoha teo aloha mba hijery sy hanoratra ny anarany ao anaty lisi-pifidianana.
Lin (Mpianatra asa)