Volley-CCCZone 7: hanomboka anio ny fifaninanana any Maorisy

Hanomboka anio, ao Maorisy ny andiany faha-27, amin’ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka Faritra faha-7 (CCCZone 7), taranja Volley ball. Klioba 3 ny solon­tena malagasy.

Klioba 3 ihany no lasa hiatrika ny “CCCZone 7” any Maorisy, raha toa ka klioba 4 tany am-boalo­hany no fantatra fa handray anjara. Efa nanainga ny alarobia 23 febroary lasa teo ny ekipan’ny GNVB lahy sy vavy, raha toa ka anio kosa vao hihazo an’i Maorisy ny ekipan’ny Stef’Auto. Tsy na­harenesam-baovao kosa ny ekipan’ny Bi’As hatramin’ izao, raha toa ka heno farany fa tsy mbola ampy ny hoen­ti-manan’izy ireo ka mbola baraingo ny fandehanany. Mahakasika manokana ny Stef’Auto, izay tompondakan’i Madagasikara, 16 ny isan’ny delegasiona, ahitana mpilalao 12 sy mpitantana efatra. I Noëla, Jessie, Armella, Rojo, Nadia, Garcia, Nadjmah, Ema, Marina, Amina, Elia ary i Clara ny mpilalao mandrafitra ny delegasiona ho an’ny Stef’ Auto, i Gildas sy i Joel kosa ny mpanazatra.Anisan’ny nandray anjara hatrany tamin’ireo andiany taloha ity tompondakan’i Madagasikara ity ary tsy nitsanga-menatra ny zava-bitany hatramin’izay. Ante­naina fa mbola hanao ny fara-fahaizany hiarovana ny voninahi-pirenena izy ireo any Maorisy.
Ho an’ny ekipan’ny GNVB kosa, 12 ny isan’ny mpilalao ho an’ny sokajy lehilahy ary 9 kosa ny mpilalao vehivavy, nanainga ny alarobia lasa teo. Ireo mpilalao efa fanta-daza hatramin’izay tao amin’ny ekipan’ny Zandary ihany no mandrafitra ny ekipa ho an’ny lehilahy, ahitana an’i Andry be, Tsiory, Dino, Tolotra, Ma­mody, Manou, Rina, Beso, Irina, Avosoa, Judicaël ary i Mamizara. Tsiahivina, fa laharana faharoa ny GNVB tamin’ny “CCCZone 7” farany ary ny ekipan’i La Réunion no nandavo azy ireo teo amin’ ny famaranana. Tsy anisan’ny ekipa ao anatin’ny faritra faha-7 anefa ny Renioney fa nanome voninahitra ny fifaninanana fotsiny. Azo lazaina ho sangany, araka izany, ny GNVB eto amin’ny faritra faha-7 ary manana ny herijika rehetra hibatana ny amboara. Tsy ambakan’izany koa ny GNVB vehivavy, izay vao sam­bany handray anjara amin’ity kanefa efa manana ny maha izy azy sahady ny fahaiza-manao nasehon’ireo mpilalao tamin’ny fifaninanam-pirenena farany teo.
Haharitra hatramin’ny 4 marsa izao ity fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondakan’ny faritra faha-7 ity, ahitana klioba mpandray an­jara 29 (15 lehilahy-14 vehivavy), avy amin’ny firenena mpirahavavy 6 (Maorisy, Madaga­sikara, La Réunion, Sey­chelles, Comores ary Mayotte ).

Mi.Raz

Partager sur: