Jiolahy efa-dahy voasambotry ny zandary rehefa nanararaotra mpivarotra kisoa tao Ambohidratrimo ny asabotsy lasa teo.
Nandresy lahatra ny mpivarotra izy efa-dahy. Nahita ireto farany nitondra fiara, resy lahatra avy hatrany ny tompon’entana. Raikitra, araka izany, ny fifanarahana. Kisoa miisa 7 no alain’izy efatra mpisoloky. Nobataina ireo kisoa ary natao anaty fiara. Kinanjo, tsy nisy alaharo sy fikasana handoa ny vola akory ireto olon-dratsy. Namelona ny motera, nirifatra nandositra tamin’ny fiara izy ireo. Lasa ireo kisoa fito. Nampandre ny zandary miasa ao an-toerana ireo lasibatra. Natao ny fanadihadiana. Vokany, sarona tao amina ramatoa iray lehibe tetsy Ambohimanarina avokoa ireo kisoa. Nofotopotorin’ ny zandary, voasambotra koa ireo mpisoloky. Naverina tamin’ny tompony ireo kisoa fito ary atolotra ny fampanoavana tsy ho ela izy efa-dahy.
Mpangala-kisoa hafa koa tratra…
Voasambotry ny fokonolona Mpangala-kisoa iray hafa koa voasambotry ny fokonolona tao Antsamaka, kaominina ambanivohitra Bealalana ny alin’ny zoma teo. Nanarao-paty ara-bakiteny, nalain’ity jiolahy ity ny kisoa rehefa niandry faty ireo mponina manodidina. Nentiny namidy teny an-tsena ny kisoa halatra ny ampitso. Tsikaritry ny mpiantsena anefa izany ka nampandre ny tompony ity farany. Vokany, tra-tehaky ny fokonolona ity mpangalatra ity. Nofatoran’izy ireo niaraka tamin’ilay kisoa nangalariny izy. Efa natolotra ny mpitandro filaminana izy taorin’io.
Tsiferana R.