Ambositra : mpangala-katsaka matin’ny fitsaram-bahoaka

Maty tsy tra-drano ilay mpangala-katsaka matin’ny fi­tsaram-bahoaka tao Ambositra ny faran’ny herinandro teo. Tsy namelan’ny olona raha tsy tapitra ny ainy nefa katsaka babiny roa no tratra teny amin’ity mpangalatra ity. Nentin-katezerana ny olona ka samy nitsaingoka nanala ny hatezerany tamin’ilay jiolahy. Naratra mafy vokatr’izany. Nisy ihany ireo olona nalahelo azy ka nitondra azy tany amin’ny hopitaly. Tsy avotra intsony anefa ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy. Niantso ny teo anivon’ny kaominina ny hopitaly ka nalevina avy hatrany ao amin’ny fasan’ ny kaominina izy taorian’izay. Tsy nisy taratasy nahafantarana azy koa tany aminy na teo aza ny antso nataon’ny kaominina ho an’ireo fianakaviany na ireo mahafantatra azy. Mbola azon’ ny havany atao anefa ny maka azy raha misy mahalala. Nite­raka resabe ity fitsaram-bahoaka ity.

J.C

Partager sur: