Miverina indray ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny distrikan’Amparafaravola. Nitrangana
fakana an-keriny tao amin’ny fokontany Ambohimanarivo, kaominina Morarano chrome, ny zoma teo.
Tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany alina, niditra an-keriny tao amina tokantrano iray tao
an-toerana ny andian-jiolahy nirongo basy mahery vaika ka nampihorohoro ny tompontrano sady nitady vola. “Efa-dahy ireo niditra tao amin’ilay trano raha niambina teny ivelany kosa ireo namany hafa”, hoy ny zandary mpanao fanadihadiana. Nisy tamin’ireo olon-dratsy koa niezaka nanafina ny tarehiny teo amin’ny varavarana mba tsy hamantarana azy. Raha manambana basy ireo lasibatra kosa ireo hafa. Nandritra izay, nanadihady ny tompon-trano ireo jiolahy.
Tafaporitsaka anefa ny lehilahy iray saingy voasambotr’ireo olon-dratsy niambina teny ivelany ka nampandadiziny niverina niditra ny trano indray. Vokany nofatoran’iretsy mpanafika ny olona efatra. Vehivavy 24 taona sy lehilahy iray vadiny. Ny tovolahy iray 15 taona tsy salama, zandrin’ilay vehivavy sy ny lehilahy iray mpiambina ny ombim-pianakaviana.
Tafaporitsaka…
Ora vitsy taorian’izay tafatsoaka ilay lehilahy mpiandry omby. Tsy salama saina izy saingy votsotra teny am-pelatanan’ireo mpaka an-keriny. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, mbola manara-dia an’ireo dahalo ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona. Mihazo an’Anjozorobe izy ireto, raha ny angom-baovao. Fantatra ihany koa fa niantso ny havan’ireo takalon’aina ireo jiolahy mba hanomana vola, hamotsorana ireo havany saingy tsy mbola nanonona sora-bola izy ireo. Tsiahivina fa tsy vao izao ireto fianakaviana ireto no lasibatry ny asan-jiolahy toy izao. “Trangana fakana an-keriny fanintelony natao azy ireo izany ary miafara amin’ny famoizana aina mihitsy”, hoy ireo mpiara-monina. Ankehitriny, manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana ny mponina any an-toerana mba hijery akaiky ny tsy fandriampahalemana izay nahazo vahana tao anatin’ny fotoana vitsy.
Henintsoa Hani