Andraharo : niampy roa indray ny vokatra Polaris

Miavaka amin’ny tanjany sy ny fahafahana mandeha amin’ireo lalan-dratsy, niampy roa indray ireo vokatra marika Polaris amidin’ny eo anivon’ ny orinasa CT Motors nanomboka ny asabotsy teo. Anisan’ izany, RZR Pro 74 Turbo R Ultimate. “Manana tanjaka 180 CV, azon’ny mpankafy SUV entina amin’ireo toerana ivelan’ny renivohitra heve­rina ho saro-dalana sy ireo mpankafy natiora izy io”, hoy ny nambaran’ny tomponandraikitry ny Polaris, eo ani­von’ny orinasa CT Motors, Herinirina Razanadrakoto. Nohalehibeazina, avo mihoatra ireo karazana SUV taloha ity Ultimate vaovao ity. An­koatra io, manana ilay RZR Pro R4 Ultimate hiaka farany koa izy ireo. Mahatratra 225 CV ny tanjany. Mitovy amin’ ilay Pro 74 Turbo, efa noha­tsaraina ny endrika ivelan’ity SUV ity.

Tsiferana R.

Partager sur: