Ao aloha kely ao ny fandrosoana ho an’ny tsenan’ny mozika malagasy. An-dalana mankany ny fisian’ireo « applications de streaming » mifanaraka amin’ny tolotra sy ny tinady misy eto.
«Inona ny fomba mahomby indrindra, hahazoana vola amin’ ny mozika ?». Izay ny lohahevitry ny fihaonana nanasana mpanakanto maro sy mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny mozika, ny alin’ny zoma teo, tetsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Mazava loatra fa namaly ny antso ary tonga maro ireo voakasika, satria vola hiditra no votoatin-dresaka.
Tetikasa goavana, angamba ny lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’ny mozika malagasy, no nentin’ireo nandray ny fitenenana namaly ilay lohahevitra miendrika fanontaniana. «Varotra mozika amin’ny alalan’ny internet», hoy ny nanombohan-dRajaonarivelo Rajo azy. Tale jeneralin’ny orinasa Manoova izy, izay nanangana ny sampana Renala Music ihany koa.
«Amin’ny fomba ahoana ? Amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa lehibe, izay ampahafantarina voalohany anareo androany. Hiara-hisalahy manomboka izao ny Renala Music, ny Universal Music Africa ary ny Virgin Music Africa», hoy hatrany ny fanazavana. Orinasa mitrandraka ny «plateforme de streaming», na ireny fanjifana mozika amin’ny alalan’ny internet ireny, ary manana sampana maneran-tany ireto vondron’orinasa roa ireto.
Efa tena zava-dehibe ary kihon-dalana hanamarika ny tantara ny fitodihan’ny Universal Music Africa amin’ny mozika malagasy. Mbola zava-dehibe kokoa ny fisian’ ireo tolotra «applications de streaming», izay nokajiana manokana hifanaraka amin’ny zava-misy eto Madagasikara, dia ny «Digster» sy ny «Moozik».
Firenena afrikanina 15 no efa mampiasa ny «Digster» amin’izao, ankoatra ireo firenena «francophones» maromaro. Mora ampiasain’ny mpanjifa mozika ary manome tolotra hamarotana bebe kokoa ny sanganasan’ireo mpanakanto afrikanina izy ity.
Vao mainka anefa manome tolotra akaiky kokoa ny mpanjifa mozika sy ny mpanakanto malagasy ny «Moozik». Izy ity indray dia tena «application de streaming » vita malagasy, novolavolain’ny ekipan’ny Manoova ifanaraka amin’ny tolotra sy ny tinady eto. Ho mora vidy ihany koa ny tolotra ao aminy, arakaraka ny fahefa-mividin’ ny mpanjifa, ary efa tafiditra ao anatiny ny saran’ny internet.
Lalana mankany amin’ny fandrosoana…
«Mendrika ny mpanakanto malagasy ny fanatsarana ny fidiram-bolany. Hampiakatra izay fidiram-bola izay, ary anisan’ny nitondrana sy hitondrana ireo fanovana marobe eo amin’ny Omda izany», hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Andriatongarivo Rakotondrazafy Lalatiana, nandritra ny fidirana nampitain-davitra nataony, noho izy tsy teto an-toerana tamin’io fotoana io.
«Saika efa miaraka aminay avokoa ireo mpanakanto malaza ary tsy ny afrikanina ihany, ary misitraka tsara ny zony. Hitanareo ao ry Magic System, Toofan, Youssou Ndour, Franko, Jay-Z, Kanye West , Dadju, Gims, Taylor Swift, sns. Mbola hiampy anareo mpanakanto malagasy izay efa fantatray ny fahaizanareo mozika», hoy kosa i Franck Kacou, tale jeneralin’ ny Universal Music Africa.
«Mandainga izay milaza fa afaka mamaritra marina ny vola tena horaisinareo tsirairay. Ny azo antoka kosa dia mirindra ny fakana izany, ary azonareo arahina ny vola miditra aminareo mpanakanto tsirairay avy», hoy kosa ny fampanantenan’i Guilaine Cléry, talen’ny Virgin Music Africa.
“Ny fehiny sady mamaly ilay fanontaniana : amidy amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny mozika malagasy. Amidy ihany koa ho an’ny mpankafy eto an-toerana. Efa misy ireo «applications de streaming» malaza sy maro mpampiasa maneran-tany, toy ny Spotify, Deezer, sns. Sarotra anefa ny tena hampisongadina ny mozika malagasy anatin’ireny, ka nandroso vahaolana akaiky kokoa ny mpanjifa mozika izahay, dia ny «Digster» sy ny «Moozik». Rehefa manatona ny Renala Music ka mifanaraka aminay ireo mpanakanto, dia hanana ny kaontiny manokana hanarahany ny vola tokony hiditra aminy», hoy Rajaonarivelo Rajo, namarana ny fampahafantarana.
Zo ny Aina