Covid-19 : nandavo olona iray, 13 ny tranga vaovao

Namoizana aina iray in­dray ny valanaretina Covid-19 ny herinandron’ny 18 ka ha­tramin’ny 24 febroary lasa teo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ ny Fahasalamam-bahoaka. Rehefa nivaly ny fitiliana 320 natao, 13 ny tranga vaovao
ka 10 ny marary hatramin’ny 24 febroary lasa teo ary iray ao anatin’izay misedra tranga misy fahasarotana.
Faritra telo no nahitana ny tranga vaovao, eto Anala­manga ny 10, iray avy tany amin’ny faritra Alaotra Man­goro, Boeny ary Menabe. Tafi­ditra hatrany ao anatin’ny faritra ahatiliana tranga vaovao Analamanga hatramin’ izao. Tsy misy manaraka intsony ny fepetra sakana na anatin’ny efitrano mihidy aza ny fivoriana na hetsika. Mbola nanamafy anefa ny tompo­nandraikitry ny ady amin’ny Covid-19 aty Afrika eo anivon’ ny OMS Afrika fa tokony ho mailo hatrany ny rehetra ary zava-dehibe ny fanajana ny fepetra sakana.
Nanomboka ny volana marsa 2020 ka hatramin’ny 28 febroary lasa teo, 67 865 ny tranga voamarina, sitrana ny 66 433 ary namoy ny ainy kosa ny 1422.

Vonjy

Partager sur: