Tra-tehaky ny polisy ny talata teo avokoa ireo efatra mianadahy voatondro ho nanao fanafihana tetsy Ambohidroa, ny herinandro lasa teo. Ny alahady 19 febroary teo, tokony ho tamin’ny 2 ora maraina, niditra an-keriny tao amina tokantrano iray teny an-toerana ireto olon-dratsy. Nirongo fitaovam-piadina izy ireo ary nandrahona ny tompon-trano sady nandroba entana isan-karazany. Very tamin’izany ny firavaka volamena, finday 10 isa ary vola 200.000Ar. Tsy vitan’izay fa mbola nanolana tovovavy efatra tao amin’ilay tokantrano koa ny mpanafika vao nitsoaka. Nanao fanadihadiana avy hatrany ny polisy vantany vao naheno ny tranga. Nisokatra ny fikarohana ka voasambotra ny lehilahy miisa telo, 37 sy 35 ary 28 taona. Tratra ihany koa ny ramatoa iray 40 taona mpiray tendro amin’izy telo lahy. Fantatra tamin’ny famotorana fa mpiasa ao amin’ireo voatafika ilay vehivavy. Mpiambina ny tanàna sy mpamily niasa tao taloha niaraka tamin’ny namany ireo hafa. Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela ny raharaha.
Henintsoa Hani