Ho lasa takalonaina ny marary manomboka anio amin’ny fitokonana ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana ao anatin’ny faritra Analanjirofo.
Fitakiana fialan’ny talem-paritry ny fahasalamana ny anton’ny fitokonan’ ny mpiasa efa ho iray volana ary mbola tsy hita izay marimaritra iraisana. Ny tale notakina hoesorina nametraka fialan-tsasatra ary neken’ny minisitera mpiahy. Hatramin’ izao, tsy mety manafoana ny fanendrena sy ny fanoloana ity tomponandraikitra ity ny filankevitry ny minisitra. Mandritra ny fanadihadiana ireo mpitokona sy ny mponina ao Fenoarivo Atsinanana ary ny Tangalamena sy ireo manana fianakaviana marary, samy miferotraina avokoa amin’ny zava-misy. Nilaza ny renim-pianakaviana iray miandry vohoka fa aleo hiteraka amin’ ny renin-jaza toy izay hiditra amin’ny hopitalin’i Fenoarivo. Nohamafisiny fa izay tonga ao tsy ampiterahan’ny razasy sy ny dokotera ara-dalàna fa didiana avy hatrany ary handoavana vola hatramin’ny
1 500 000 Ar. “Matetika mahafaty ny reny na ilay zaza ity fomba fiasa ity ka tsy neken’ny tale”, hoy ny fanazavana azo. Anisan’ny tale hentitra amin’ ny fomba fiasa, nitantana ny fahasalamam-bahoaka tato anatin’ny faritra Analanjirofo ny dokotera Bath- Scheba no sady mahitsy amin’ny fomba fitenenana ka lasa manakantsakana ny mpiasa sy dokotera sasany amin’ny asa miendrika fisiana kolikoly. Tomponandraikitra iray nidoboka am-ponja noho ny kolikoly vao tsy ela ny mpitsabo mpanara-maso ao Vavatenina, araka ny fanazavan’ny mpiasa sasany tsy manaiky ny fitokonana miseho. Nambarany koa fa sonia hosoka avokoa no entin’ ireo mamita iraka amin’ny fanentanana sy fanaovana vaksiny teny anivon’ny kaominina ambanivohitra ka tsikaritry ny tale.
Manaiky ny fanapahan-kevitry ny fanjakana ny talem-paritra
“Raisiko am-pitiavana ny fanapahan-kevitry ny fitondrana foibe fa tsy midongy toerana aho fa ny fitondrana no tompon’ny teny farany. Mampalahelo ny mpiasan’ny fahasalamana manao takalonaina ny aim-bahoaka izany”, hoy ny talem-paritra. Nanamafy ireo raiamandreny ara-drazana fa ilaina famindran-toerana faobe ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra miaraka amin’ny tale. Tsy ny talem-paritra ihany no esorina, eo koa ireo mpitarika ny fitokonana satria tsy manaja raiamandreny sy solontenam-panjakana toy ny governora sy ny Préfet.
Sajo