Fiangonana RHEFI Androndrakely : hivavaka manokana ho an’ny firenena

Ity taona 2023 ity no manamarika ny 18 taona nisian’ny fiangonana Rhefi eto amin’ny Nosy, izay ao Androndrakely no misy ny foibeny. Araka ny fanazavana nomen’ireo tomponandraikitra eo anivon’ity trano fivavahana ity, ny sabotsy teo, somary hiavaka ny fankalazana izany vaninandro izany, satria hanatontosa fotoam-pivavahana lehibe ao amin’ny Coliseum Antsonjombe ny fiangonana ny 13 aogositra 2023, ka hanasana ny mpino Rhefi manerana ny Nosy, na koa ireo mpino kristianina avy amin’ny fiangonana hafa.
Nasongadin’ireo pasitera mpitantana ny fiangonana fa noho ny toe-draharaha eto amin’ ny firenena dia hifantoka manokana ho an’ny tanindrazana
ny fotoam-pivavahana amin’io 13 aogisitra io. Vavaka « ho fandravana sakana », araka ny filazan’ny pastera Randrianai­voravelona Adolphe, izay tsy hafa fa filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Rhefi Andron­drakely.
Araka izany, hisy vavaka manokana ho an’ireo mpitondra firenena izay hita fa tapi-dalan-kaleha ankehitriny, ary tsy ho ambakan’izany ny ady amin’ny fahoriana mianjady amin’ny vahoaka sy ny mba hanjakan’ ny fandriampahalemana, ka tafiditra ao anatin’izany ny fifidianana ho avy izay irina ho tontosa ao anatin’ny mangarahara sy ny fahamarinana. An­koatra izay, hitohy hatrany ny hetsika ara-tsosialy izay efa fanaon’ny fiangonana toy ny fizarana « PPN », fitafiana sy ny sisa ho an’ireo izay hita fa tena sahirana.
Marihina fa tao antin’izay 18 taona nisiany izay dia efa mahatratra 200 ny fiangonana Rhefi manerana ny Nosy, izay tantanina pasitera miisa 600. Tombanana ho 60.000 mahery ny mpivavaka ao ankehitriny…

r.r

Partager sur: