Nihaona tao amin’ny kianja Don Bosco Ankofafa Fianarantsoa, ny faran’ny herinandro teo, ny Fikambanan’ny zanakin’ny faritanin’i Fianarantsoa (Fizafafi). Tsy nitsitsy fitenenana ireo olobe teo amin’ny resaka politika. Maromaro ny fitakian’izy ireo tamin’izany.
Hentitra ny lahateny nataon’ny filoha nasionaly, mpitarika ny fikambanana, Razanamahasoa Christine. “Aoka tsy hatao fasan’ny tetikasa hatrany i Fianarantsoa, ka ho gisitra. Aoka tsy ahilikilika izahay ka hofenoina “Diaspora” ao anaty governemanta. Matoky fa tsy ho latsaky ny 10 ireo minisitra zanaky ny faritranin’i Fianarantsoa, ho ao anaty governemanta fa tsy ho roa fotsiny”, hoy izy. Nohitsin’ny filohan’ny Antenimierampirenena fa tokony ho avy amin’ny solofon’izy ireo ny fitantanana ny lapan’i Mahazoarivo, izany hoe, eo amin’ny toeran’ny praiminisitra sy ny eny Tsimbazaza. “Vonona izahay fa omenay anao Andriamatoa filoha ny vatonay fa jereo ny solofonay mba ho antoka hampandroso an’i Fianarantsoa”, hoy ihany izy.
Nahavory vahoaka analiny ity fihaonambe nampisehoan’izy ireo ny heriny sy ny tanjany ity. Nifampiarahaba noho ny taona vaovao rahateo izy ireo ary efa fanao ny tahaka izany, amin’ny fifampiarahabana isaky ny faritra.
Firaisankina sy fihavanana
Samy nahatonga delegasiona mafonja avokoa ireo faritra 6 mandrafitra ny faritanin’i Fianarantsoa. Ahitana ny avy ao Matsiatra Ambony mpampiantrano sy Amoron’i Mania, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana ary ny solontena avy any Ihorombe.
Tsiahivina fa tsy anavahana foko, finoana na koa politika ny Fizafafi ary natao hanamafisana firaisankina sy ny fihavanana ary koa fifanampiana eo amin’izy ireo izany fikambanana izany.
Synèse R.