Nitohy teny amin’ny Magro Tanjombato ny hetsiky ny Tim, niarahana tamin’ny distrikan’Atsimondrano ny faran’ny herinandro teo. Tsy nitsitsy fitenenana ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc tamin’ny lahateniny, taorian’ny sakana natao azy ireo tetsy Behoririka ny zoma teo. Nanteriny fa mahamenatra ireny fihetsiky ny mpitondra ireny… Tompon’ andraikitra nanome baiko ny Emmo/Reg ny praiminisitra amin’ny fanakanana ny hetsika am-pilaminana nokasaina hatao, araka ny nambarany. “Hajao ny demokrasia sy ny fanehoana hevitra malalaka… Efa 20 taona ny Tim fa tsy nanakorontana. Nitondra izany am-pahendrena…”, hoy izy. Efa nalefany any amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny sary maneho ny fisakanana nataon’ny Emmo/ Reg tetsy Behoririka, miaraka amin’ireo minisitra telo, misahana ny fitandroana ny filaminana, nanome baiko.
Etsy andaniny, nambarany fa taom-pifidianana ny 2023 ary fotoana koa hihetsehan’ny antoko politika sy hanomezana ny toromarika momba izany. Manao izany ny Tim ka tokony hitandro ny filaminana sy hiaro ny vahoaka ary ny fananany ny mpitandro filaminana, araka ny nambarany hatrany. .. Tokony
Manoka-baravarana amin’ ny hery hafa…
Nentaniny avy eo ireo mpikambana Tim rehetra hisoratra anaty lisi-pifidianana. “Tsy afaka hanao na inona na inona isika raha tsy voasoratra ao. Tsy afaka handatsa-bato sy hanara-maso na hitaraina raha miseho ny fihoaram-pefy… Hamarino ny anarana. Jereo koa sao misy anarana miverimberina “doublons” amin’izany”, hoy ihany izy.
Etsy andaniny, naneho ny fisokafany ny Tim ny amin’ny tsy tokony hifanilikilihina rehefa tsy mitovy hevitra sy fijery. Avelao ny lasa fa aoka hiaraka hanangana firenena vanona ka tsy hanidy varavarana ary sahia mijoro sy tsy mora kivy, araka ny nambarany.
Synèse R.