Tsy afaka mitsabo ny olona iray raha tsy manana ny taratasy fanamarinana avy amin’ny fikambanana misehatra amin’ny fitsaboana nentim-paharazana satria misy ny etika sy deontolojia, raha ny fanazavan’i Jean Nirina Rafanomezantsoa
Nandray hatrany ireo mpianatra avy amin’ny oniversite (fanjakana na tsy miankina) nangataka fizarana asa sy fampiofanana arakasa toy ny orinasa rehetra eto Madagasikara ny mpitsabo malagasy Fitrama, araka ny fanazavan’ny tale jeneraliny, Rafanomezantsoa Jean Nirina, nandritra ny fihaonana tamin’ ny mpanao gazety, ny sabotsy teo. Nohamafisiny fa ny fitsaboana nentim-paharazana dia manana ny etika sy deontolojia satria ny aretina rehetra dia tsaboina amin’ny alalan’ny otra
sy ny zava-maniry. Maro ireo tanora manana bakalorea sy nahavita fianarana momba ny fitsaboana araka ny antontan-taratasin’izy ireo ka antony nahatonga ny Fitrama hanome fiofanana arakasa. “Tanjona, tsy fitadiavam-bola fa ny fanasoavana ny mpiara-belona ary hampitaina amin’ny taranaka aty aoriana izany”, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina. Izany no antony handraisana mpiasa 200 sady hanampiana ny tanora amin’izao fotoana izao. Beazina ny tanora hanana fitondran-tena hahaleo tena amin’ny alalan’ny famoronana asa. Hisy ny fampianarana sy fampiofanana ireo tanora voaray amin’ny alalan’ny fizaranasa ho an’ireo hitsabo ao amin’ny Fitrama. Aorian’izay, hisy fanadinana hanaovana tombana ny fampiofanana mialoha ny hanomezana ireo mpianatra ny taratasy fanamarinana ny fahavitan’ny fiofanana. Ilaina ny fananana foto-pisainana mijery ny mahasoa ny mpiara-belona satria izany no atao hoe fitiavan-tanindrazana.
Jean Claude