IFM Analakely : manomboka ny “Festival Zaza Mifety”

Nosokafana ny asabotsy 25 febroary 2023, teny amin’ ny Institut Français de Ma­dagascar na IFM Analakely ny hetsika lehibe “Zaza Mifety” andiany voalohany. Mandritra ny herinandro no hanatanterahana ity hetsika lehibe ity. Hetsika maro ny handravahana ny “Festival Zaza Mifety”. “Tanjon’ny mpikarakara ny hamokatra hetsika ho an’ny ankizy, ny sahala amin’izany izay mbola tsy dia misy mpanao eto amintsika”, hoy ny mpikarakara.

Hahazo vahana tanteraka ny ankizy, indrindra ny eto Antananarivo ao anatin’izao hetsika lehibe “Zaza Mifety” izao. Tantara an-dampihazo, sarimihetsika, angano, hakingana manao zava-mahagaga ary mozika. Ireo no handravaka ny “Fetsival Zaza Mifety” mandritra ny herinandro. Hisy ihany koa ny atrikasa isan-karazany mandritra ity hetsika lehibe ity.
Anisan’izany ny fanamboarana zavamaneno sy ny fanaingoana tarehy ary ny fanaovana sary “… Hitohy hatrany ny hetsika lehibe sahala amin’izao ho fanomezana lanja ny fanabeazana ny ankizy Malagasy”, hoy ny tompon’andraikitry ny hetsika.

Lin(Mpianatra asa)

Partager sur: