Nitrangana fanafihan-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika indray tao Mangarivotra Toamasina ny asabotsy teo, tao Mangarivotra Atsimo, Toamasina. Olona iray maty voatifitra raha iray hafa naratra mafy. Teo amin’ny lalam-pasika mankany Antsarakofafa miditra avy eo amin’ny tobin-tsolika iray ao Mangarivotra no nirefotra tampoka ny basy. Niantefa tany amin’ny raim-pianakaviana roa lahy nanao taingin-droa hamonjy fodiana ny balan’ireo jiolahy. Ny iray voatifitra teo amin’ny tratrany raha teo amin’ny feny kosa ny an’ilay faharoa. Nianjera avy hatrany izy roa lahy. Lasa nandositra ireo jiolahy saingy tsy naka na inona na inona, eny fa na ny moto aza. Niezaka nanao ny famonjena ireo olona teo amin’ny manodidina ka nentina haingana namonjy hopitaly saingy tsy avotra intsony ny ain’ilay niharam-boina, mbola manohy ny fitsaboana kosa ny iray.
Kioska sy trano telo koa no voaroba tao Bazaribe tamin’io sabotsy io ihany. Enta-madinika tao am-pivarotana niampy karatra fahana finday ireto lasan’ny jiolahy ireto.
Nitrangana fanafihan-jiolahy koa tao Analankinina Hopitalibe parisela 12/21-22, omaly. Tokantranona mpianatra ho mpitsabo mpanampy sy rasazy manofa amin’io toerana io ireto notetezin’ny mpangalatra ireto. Very tamin’ izany ny ordinatera sy kojakoja momba ny fianarana ary akanjo.
Sajo/J.C