Miarinarivo : maty ilay mpitondra moto nandona “balise”

Maty tsy tra-drano ilay lehilahy nitondra moto marika Kymco nifatratra tamina kiady (balise) tao Ambodi­voara Igararana, kaominina ambanivohitr’i Miarinarivo II, omaly tamin’ny mitataovovonana (RN1), PK 95+300. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny tobim-paritry ny zandary ao Miarinarivo, vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza ka tsy nahafehy ny familiana intsony ilay niharam-boina. Vokany, nifatratra tao amin’ity kiady amin’ny sisin-dalana ity avy hatrany ny moto nentiny ka nivarina tany an-tanimboly amin’ny sisiny havanana. Mafy ny dona nataon’ilay mpitondra moto satria tapaka mihitsy ilay kiady notrongisiny, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Potika tanteraka koa ilay moto nentiny. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandary niaraka tamin’ny doko­tera, naterina ao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly CHRR Itasy ny razana miandry ny fianakaviany haka azy. Tsy nisy taratasy nahafantarana azy rahateo teny aminy ka isan’ny nampanano sarotra ny fitadiavana ireo olona akaiky azy.

Jean Claude

Partager sur: