Herinandro taorian’ny nanendrena azy ho minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, nifandimbiasana sahady ny fitsidihana ny minisitra, André Haja Resampa, tetsy Ambohijatovo. Anisan’ny tonga nitsidika sy nifampidinika taminy, ny filohan’ny Komity olympika malagasy (KOM), Randrianasoloniaiko Siteny. Niarahaba sy nanamafy ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny minisiteran’ny Tanora sy fanatanjahantena sy ny Komity olympika malagasy ny tena anton-dian’ity filohan’ny KOM ity. Samy naneho ny fahavononany ny roa tonta, nandritra ny fihaonana, indrindra amin’izao ankatoky ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11 hatao eto Madagasikara izao.
Anisan’ny tonga nitsidika ny minisitra, ny faran’ny herinandro teo, koa ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe, Andrialemirovason Amiroudine. Noresahana tao anatin’izany ny hanatanterahana ny “Coupe du Président” izay hatao eny anivon’ny faritra 23, iarahan’ny minisitera sy ny federasiona ary ny governoram-paritra. Teo ihany koa ny fotodrafitrasa ho an’ny taranja tsipy kanetibe. Nanamafy ny minisitra fa misokatra ho an’ny rehetra ny varavaran’ny minisitera.
Mi.Raz