Ortana 2023 : «Volana iray, tsidi-bohitra iray»

Io no namaritan’ny Ofisim- paritry ny fizahatany eto Analamanga (Ortana) ny fandaharam-potoana arosony ho an’ny mpizahatany amin’ity taona 2023 ity. «Volana iray, tsidi-bohitra iray», miainga ny volana marsa izao ka hatrany amin’ny volana desambra, hahatratra 10 ny tsidi-bohitra hotanterahina eto Analaman­ga. Nampanarahina lohahevitra tsirairay ny fitsidihana isam-bohitra. Nokendrena amin’izany ny hampisongadina ireo mampiavaka ny toerana hotsidihina.

Volana iray, tsidi-bohitra iray

11 marsa : Manjakazafy «Histoire et écologie en Ma­rovatana», 15 avrily : Anda­vabatomaizina «Les grottes d’Angavokely», 6 sy 7 mey : Tsiazompaniry «Evasion et dépaysement», 17jona : Am­bohitrimamoladahy «Au territoire d’Ambodirano», 8 sy 9 jolay : Ambatofotsy – Anka­dinandriana «Au coeur de l’horiculture», 12 aogositra : Talatavolonondry – Ankadi­nandriana «Les spécialités artisanales de Mandiavato», 9 septambra : Mantasoa «La colline d’Ambohidranady», 14 sy 15 oktobra : Sadabe «A la découverte de Sahafanilo», 11 novambra : Babay «Au pays de Vonizongo», 9 sy 10 desambra : Ambohitsimeloka «Immersion en Vakiniadia­na».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: