Raharaha Tanjombato : mpivady sy vehivavy mpivarotena iray voasambotra

Saron’ny polisim-pirenena ny olona telo voasaringotra tamin’ny fakana an-keriny an’ilay ankizilahikely hita faty tetsy Tanjombato ny herinandro lasa teo. Nisy naka an-keriny tetsy 67ha tokoa io zaza io ny alahady 18 febroary lasa teo. Nitaky vola 10 tapitrisa Ar ireo jiolahy ho famotsorana azy. Nandritra izay, ramatoa iray 46 taona no nitazona ilay zaza raha nalefa tany amina vehivavy mpivaro-tena iray ny vola 2.600.000Ar teny am-pelatanan’ireo fianakavian’ilay takalon’aina. Tsy faly tamin’ilay vola azony anefa ireto jiolahy ka novonoina ilay tsy manan-tsiny. Nofatorana ny tongotra aman-tanany ary nasiana harona plastika ny lohany ka natsipy tao anaty rano teny Tanjombato . Ny ampitson’io hita faty natsingevan’ny ranon’Ikopa teny Ankeniheny ny vata-mangatsiakan’ilay ankizilahikely. Taorian’io nanao rodobe nihazo ny kaomisaria ny havan’ny maty, nitaky ny marina momba ny raharaha. Ny zoma teo, nitohy teo anoloan’ny Lapan’ny fitsarana, Anosy ny hetsika rehefa avy nandevina ilay nofo mangatsiaka tany Imady ireo havany. Fantatra fa telo andro taorian’iny tranga iny no tratra avokoa ireo olona voasaringotra tamin’iny raharaha iny.

Henintsoa Hani

Partager sur: