Mbola mampiseho ny tena maha ekipa sangany azy eto Madagasikara ny Cosfa miaramila sy ny FTM Manjakaray, nandritra ny fifaninanana Top 20 taranja rugby 2023. Lalaon’ ny andro voalohany amin’ny fifaninanana, notanterahina omaly, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Lavon’ny Cosfa tamin’ny isa 118 no ho 17 ny JSTA Ambondrona. Ny FTM kosa nandresy ny FTAT Anosibe, tamin’ ny isa 93 no ho 23.
Raha fintinina ny lalao nihaonan’ny FTAT sy ny FTM Manjakaray, ry zareo Manjakaray no nahatondra baolina nentin-tanana voalohany, tamin’ny alalan’i Tolotra, roa minitra nanombohan’ny lalao. Saingy tsy voatsaran’i Koroka izany. Taorian’io, nahatondra baolina nentin-tanana indray i Tolotra ny minitra faha-5. Niezaka nampihena ny isa ka lasa 10 no ho 3 ny isa teny amin’ny solaitrabe. Niraraka tanteraka ny baolina nentin-tanana ho an’ny FTM. Nitarika tamin’ny isa 45 no ho 11 ny Manjakaray teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Dimy minitra nidirana ny fizaram-potoana faharoa, nanindry tanteraka ny FTAT, ka nahatondra “Essaie” ny mpilalan’ izy ireo ka lasa 45 no ho 18 ny isa. Taorian’io, nampiseho ny fahaizany ry Lahatra sy Koroka ary ny namany, ka lasa 93 no ho 23 ny isa nisarahana.
Lasan’ny FTM ny lelavola 5 tapitrisa Ar
Araka ny tapaka teo anivon’ny Malagasy Rugby, norombahin’ny FTM Manjakaray ny amboaran’ny “Super Coupe Mada 2023.” Natolotra azy ireo ny amboara lehibe sy ny lelavola 5.000.000 Ar, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny omaly alahady.
Fitia (Mpianatra asa)
Voka-dalao omaly :
Cosfa (118) vs JSTA (18)
US Ikopa (25) vs FTBA (27)
FTM (93) vs FTAT (23)
FBM (17) vs Tam Anosibe (31)