Fito ireo olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Freddy, araka ny tatitra navoakan’ny BNGRC ny faran’ny herinandro teo. Tafakatra 116 701 ny olona traboina avy amin’ny fianakaviana 27 692 tamin’ny faritra fito voakasika Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana , Atsinanana , Matsiatra Ambony , Menabe sy Amoron’i Mania. Olona 48 415 tamin’ny tokantrano16 489 nafindra toerana vonjimaika. 54 ny toerana fandraisana traboina vonjimaika mitsinjara any amin’ireo faritra roa: Vatovavy sy Fitovinany.
Momba ny fahavoazana amin’ireo toeram-ponenana, 6 465 ireo toeram-ponenana dobo rano ary 9 737 ireo rava tanteraka. Nitondra takaitra mavesatra koa ny lafiny fampianarana, 654 ny toeram-pianarana nahitana fahasimbana, 692 no simba amin’ny ampahany raha 318 ny sekoly rava tanteraka. 70 272 ny isan’ny mpianatra voakasiky ny faharavan’ny toeram-pampianarana ka ny faritra Fitovinany no betsaka indrindra satria mahatratra 455 ny fotodrafitrasam-pampianarana simba, mandray mpianatra 48 161.
Vonjy