Tanàn-dehibe: mitombo isa ny mpivarotra tsy ara-dalàna

Mitombo isa ny mpivarotra amin’ny tanàn-dehibe rehetra tato anatin’ny dimy taona farany. Matetika hita ireo mpivarotra ireo, indrindra maro ny manamorona ny lalana, ireo antsoina hoe « informels ». Karazan-javatra maro ihany koa ny hita amidin’izy ireo, mety hohanina na tsy mety hohanina.

Navoakan’ireo mpanadihady ny toekarena eto an-toerana fa mitombo isa ny tsy an’asa eto Madagasikara, tsy ampy traikefa no mahatonga ny maro tsy an’asa ka saika mampia­katra azy ireo mameno isa ny tsy an’asa, na hita any amin’ ny toerana tsy mifanaraka amin’ny fianarana natao. Mbola niadana ny Malagasy taorian’ny fahaleovantena, izay saika vahiny avokoa ny mpitantana teo amin’ny raharaham-barotra. Ankehitriny, mitombo isa ny Malagasy manao varotra tsy manara-dalàna. Tsy ampy azy ireo ny toerana ivarotana, ohatra, ao Antsirabe Avara­tsena, ahitana karazana mpivarotra maro.
Efa misy toerana ahitana mihitsy ireo vokatry ny fambolena. Hita amin’izany toerana izany ny sokajin’olona maro tsy mandoa tamberim-bidy amina kaominina ireo mpivarotra. Tsy araka ny en-tana amidy. Hita anefa fa misondrotra hatrany ny vidin’ entana, etsy andaniny fatiantoka ny an’ny kaominina an-tanàn-dehibe maro, satria ny vola tsy miditra araka ny tokony ho izy. Hita amin’ny toerana sasany, tsy mifanaraka amin’ny entana ny misy azy. Na nisy fanamboarana ny tsena sasany, haingam-piala ny mpanjifa.

Tsy manavaka taona sy sokajy

Fantatra anefa fa tsy misy olana goavana ny varotra “tsy mitaky fahaizana”, tsy mitaky ihany koa lahy na vavy ny manao izany, ary tsy mana­vaka taona. Amin’ny ankapobeny anefa, maro ny vehi­vavy, misy 52,5 % raha 42,5 % ny lehilahy, ohatra, any Antsi­rabe. Mitovitovy ny amin’ny tanàn-dehibe maro anambarana io tarehimarika io fa apetraka ho an’ny vehivavy ny varotra eto amin’ny Nosy. Ny ankamaroan’ny lehilahy misafidy sehatra hafa mafimafy kokoa, toy ny mitondra fiara, mitandro filaminana… Ma-nambara izany fa misy vehivavy maromaro izao amin’ny faritra afak’haba.
Araka ny fanadihadiana natao, tsy mitaky fahaizana firy ny sehatra “informel”, tsy voatery mahafantatra ny tokony hatao. Ho an’ireo olona sasany mitrandraka ity sehatrasa ity, tsy tokony hatam­batra amina sehatra sasany akory ny varotra, anisan’ny fototry ny olana mitondra otrikaretina.

Ndrina

Partager sur: