“Manameloka ny fihetsika miendrika tsy fanajana demokrasia ataon’ny fitondrana amin’izao izahay. Tsy tanjaka fa vao mainka fahalemena ny fanakantsakanana olona aminay”, hoy ny filoha nasionalin’ny tanora RMDM, Ralaivahiny F., ny amin’ny sakana ny hetsika famoriam-bahoaka nokasain’ny mpanohitra natao teny amin’ny Magro, Behoririka, ny faran’ny herinandro teo.
Mazava ny tanjon-dry zareo. Atao ny famoriam-bahoaka, fa adidin’ny mpanao politika. Hiatrika fifidianana isika. Lalàna no mametra an’ izay famoriam-bahoaka izay. Samy manana ny fomba entina hampitana an’izay hevitra sy fanentanana izay amin’ny mpanara-dia azy sy ny vahoaka ny mpanao politika. “Tsy manampy ny Ceni ve ny hetsika famoriam-bahoaka, nahoana no mbola sakantsakanana ihany? Zatra ny manakantsakana. Koa na any amin’ny tsy izy aza izany, mbola atao ihany”, hoy izy.
Mahagaga ny zava-misy amin’izao, tratran’ny fahazarana manakantsakana ny fitondrana. Hany ka na mpanao politika hanao fanentanana amin’ny fampidirana ny anaran’ny olona mpanara-dia azy sy ny vahoaka ho ao amin’ny lisi-pidianana ny famoriam-bahoaka, mbola sakantsakanana. “Raha mandany vola manao izay fanentanana izay ny Ceni, . Tsy zarantsika ve misy mpanao politika sy vondrona politika manao famoriam-bahoaka ka mitondra izay fanentanana izay ho an’ny vahoaka?”, hoy izy.
R. Nd.