Nanolotra fanampiana vary 25 kg isan’olona ho an’ ireo mpampianatra Fram 36 ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, tany Mananjary, ny faran’ny herinandro teo hanohanana azy ireo taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy. Nanome vola mitentina 400.000 Ar koa ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona misahana ny tapany Atsimo, Rabemananjara Nicolas. Notontosaina tao amin’ ny CEG Mananjary ny fanolorana ny fanampiana ho an’ireo mpampianatra ireo. Taorian’ izay, nitohy ny fiaraha-misalahy amin’ny vahoaka tamin’ ny fanadiovana ny CEG sy ny Lycée Mananjary izay hovitaina ao anatin’ny 10 andro. Nandray anjara mavitrika nametraka ireo tafo tamin’ny fotodrafitrasa ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Nambarany fa hafindra vonjimaika ao amin’ny Lycée manara-penitra ny mpianatra ao amin’ ny Lycée Mananjary mba ho afaka hanohy ny fampianarana aorian’ny fialan-tsasatra. Mpampianatra tsy mbola mandray karama avy amin’ny fanjakana ireo nozaraina lelavola ireo ho tohana, hoy ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona misahana ny tapany Atsimo. Manara-maso ny fizotry ny fanamboarana ny minisitra. Nahitana fahasimbana 90% ny CEG sy ny Lycée Mananjary, takaitran’i Freddy.
Vonjy