Volley-CAVBZone 7: tsara fanombohana ny ekipan’ny GNVB

Nanomboka ny faran’ny herinandro teo, tao Maorisy, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, ho an’ny klioba tompondakan’ny faritra faha-7 (CAVBZone 7), taranja Volley ball. Tsara fanombohana ny ekipan’ny Zandarmariam-pirenena malagasy.

Fandresena avy hatrany no azon’ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie Nationale de Volley Ball), sokajy vehivavy, nandritra ny andro voalohan’ny fifaninanana « CAVBZone 7 ». Seta 3 no ho 1 (18-25/25-22/25-20/25-21) no nandavoan-dry Fifih sy ny namany ny ekipan’ny Cascade Volley Ball United avy ao Seychelles. Tany am-panombohana ihany no somary tsy tafiditra ny ekipa malagasy, saingy nihanahazo aina teo amin’ny seta faharoa, mandra-pahatapitry ny fifandonana. Teo amin’ny GNVB lehilahy kosa, nivoaka ho mpandresy tsy nisy mpifaninana seta 3 no ho 0, ny Malagasy, noho ny tsy fahatongavan’ny mpifanandrina taminy, ny ekipan’ ny Niaoumachoi Volley Ball avy ao Kaomoro.

Tsy ampy fifantohana kely ny Stef’Auto

Niakatra kianja, omaly alahady, tao amin’ny kianja Vacoas ihany koa ny ekipa malagasy Stef’Auto Atsina­nana. Tsy ampy fifantohana kely izy ireo ka somary sahirana nifanandrina tamin’ny ekipan’ny Tampon Gecko Vol­ley Ball Sportif La Réunion. Azon-dry Armella sy ry Jessie ny seta voalohany, saingy novalin-dry zareo Renioney izany, tamin’ny seta faharoa, ka sahala ny isa. Tsy afa-bela intsony ny Stef’Auto nanomboka teo, ka nivoaka ho mpan­dresy mazava tamin’ny seta
3 no ho 1 (25-22/23-25/17-25), ny ekipan’ny Tampon Gecko. Mbola tsy tapitra anefa ny fifaninanana, hifandona amin’ ny Oranges club sportifs d’ami­tiés Rodrigues indray ny Stef’Auto ho amin’ny anio. Hanarina ny lesoka ny mpilalao, araka ny nambaran’ny mpanazatra, Zafindalana Gil­das. Tsy maintsy haka fandresena izy ireo, raha te ho tsara toerana ao amin’ny vondrona misy azy. Hiatrika ny lalao fahatelo kosa, ny Stef’Auto, rahampitso, manoloana ny Volley Ball Kanibe.

Hiditra amin’ny lalao faharoa koa ny GNVB vehivavy

Etsy ankilany, hiditra amin’ ny lalao faharoa ihany koa ny ekipan’ny GNVB vehivavy, ao anatin’ity andiany faha-27 ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ny klioba tompondakan’ny faritra faha-7 ity. Ny ekipan’ny Saint Denis Olympique Volley Ball avy any La Réunion, indray no hihaona amin’izy ireo, ao Vacoas. Ha­namafy ny fandresena ny tanjona ary hitazona ny herijika nananana tamin’ny andro voalohany. Rahampitso kosa no hiakatra an-kianja hihaona amin’ny Volley ball de Saint Denis ny GNVB lehilahy ary hamarana ny lalao amin’ny fifanintsanana isam-bondrona izy ireo, ny 1 marsa izao, ma­noloana ny Quatres Bornes Volley ball avy ao Maorisy.

Mi.Raz

Partager sur: