“Tsy afa-kanao fahagagana ny mpikambana vitsivitsy eo anivon’ny governemanta vao nandray ny asany, andro vitsivitsy lasa izay”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, i Durlin Retogniane.
Sarotra ny inoana fa hitondra fiovana be eo amin’ny fiainam-pirenena ny fanoloana mpikambana sasantsasany eo anivon’ny governemanta, na niteny aza ny minisitry ny Serasera tamin’ny haino aman-jery vahiny iray fa hitondra rivo-baovao izany.
Nefa izany hoe rivo-baovao izany, tokony hitondra mankamin’ny famahana olana sosialy, indrindra ny toekarena. Tao anatin’ny efa-taona nitondran’ny filohan’ny Repoblika: mbola maro ireo olana, indrindra ny sosialy. Tsy mbola mipaka any amin’ny vahoaka ny fampandrosoana. Tsy ao anatin’ny fito volana no hanao fahagagana, hahazoana mitondra ny fampandrosoana andrasan’ny vahoaka.
Mila olona tomponandraikitra kokoa
Politika entin’ny fanjakana tena mijery kokoa ny fahoriam-bahoaka ve izay hoe sosialim-bahoaka izay? Misy faritra sasany tratran’ny tsy fandriampahalemana, tsy fananan’asa mifandray amin’ny tsy fandriampahalemana… Ny tsapa, misy tsy mety ao matoa namboarina ny governemanta. “Mila olona tomponandraikitra kokoa izany”, hoy izy.
Hita tamin’ny fidinan’ny filohan’ny Repoblika ifotony tany amin’ny faritra nianjadian’ny rivodoza, ohatra: efa tany an-toerana ny minisitra sasany sy ny fanampiana ho an’ireo traboina, naninona no niandry ny filohan’ny Repoblika tonga vao nozaraina izany? Mety manana paikady manokana ny fitondram-panjakana? Nefa fandraisana andraikitra avy hatrany no nanendrena minisitra.
R. Nd.