Bas-Mangoky: 5,3 t isaky ny ha ny voka-bary

Mitombo ny voka-bary any amin’ny lemaka Bas-Mangoky, distrika Morombe, faritra Atsimo Andrefana, rehefa hita ny vokatra tamin’ ny janoary 2023 teo. Tsapa izany taorian’ny fanajariana natao avy amin’ny famatsiam-bola tamin’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad). Ny asa natao teo anelanelan’ny 2013-2021 ho fanatsarana ny fambolena any amin’ny faritra.
Fantatra tamin’izany fa nitombo 5,3 t isaky ny ha ny vokatra raha 3,1 t izany taloha. Ny any Ranozaza sy Bezaha manodidina izao efa manome 3 t isaky ny ha raha 2,4 t isaky ny ha teo aloha. Ankoatra ny vary, eo ny kabaro ahazoana 1,2 t isaky ny ha raha 600 kg izany 10 taona tany aloha.
Manatsara ny fari-pia­inan’ny olona any an-toerana ny fitombon’ny vokatry ny fambolena, araka ny fanadihadiana nataon’ny Bad ihany. Salanisa ankapobeny amin’ ny fidiram-bola, teo amin’ ny 415 dolara tamin’ny 2014, nitombo 478,04 dolara tamin’ny 2021, raha ny tarehimarika navoakan’ny Bad. Efa nambaran’io banky io fa hisy sehatra hafa ha­nampy ny famokaram-bary any amin’ny faritra. Ken­dre­na ho lasa sompitr’i Ma­da­ga­sikara amin’ny vary ny any Atsimo Andrefana, ary ha­­petraka ao Toliara ny in­dos­tria momba ny vokatry ny fambolena mahazo fa­ma­tsi­am-bola avy amin’ny Bad.
Ny fanajariana ny lemaka Bas-Mangoky izay ihany koa no hahafahana mampisokatra ny Atsimo andre­fan’ny Nosy, amin’ny fanamboaran-dalana manamorona ny lakandrano. Mbo­la manatsara izany ny fanamboarana ny RN9 amin’izao fotoana izao.

Ndrina

Partager sur: