“Clinique Mobile” : hitety vohitra ireo fiarabe hanome tolotra ara-pahasalamana

Notoloran’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud) fiarabe misy fitaovana afaka mivezivezy (clinique mobile) efatra indray ny minisiteran’ny Faha­salamam-bahoaka, omaly, teny amin’ny HJRA. Hanampy amin’ny fahaizan’ny mponina miatrika, taorian’ny voina sy ny valanaretina ny fitaovana ary hanatona ny vahoaka any amin’ny toerana lavitra. Betroka, Tao­lagnaro, Antanambao Toliara, ary Ambovombe no hisitraka ny tolotra ara-pahasalamana ho­entiny miaraka amin’ny mpitsabo manam-pahaizana, hoy ny minisitry ny Fahasala­mam-bahoaka, profesora Randria­ma­nantany Zely teo am-pandraisana ny fiarabe. Hokiraki­rain’ny hopitaly amin’ireo toerana ireo ny fiarabe. Mi­tentina 882 tapitrisa Ar ny fanampiana ho an’ny distrika efatra izay tsapa fa tsy manana tolotra manokana (specialisé) nefa ilain’ny vahoaka. Ampy ny mpitsabo hisahana ny asa satria tao anatin’ny telo taona 4 500 ny mpiasan’ny fahasalamana noraisin’ny fanjakana.
Tafiditra amin’ny fanohanan’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana ny ady amin’ny Covid-19 ny hetsika, hoy ny solontenan’ny Pnud eto amintsika, Natasha van Rijn.
Ankoatra ny fampitaovana, mikarakara fahazoana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro ampiasain’ny hopitaly ny Pnud. Efa nisitraka izany ny hopitaly any Analan­ki­ninina ary ho vita amin’ity taona ity ny eny anivon’ny ho­pitaly efatra any Atsimo iasana.

Vonjy A.

Partager sur: