Tontosa tamin’ny herinandro teo ny anjara fambolen-kazo nataon’ny STAR. Toa ny tamin’ny taon-dasa, nisafidy an’Andranovelona, toerana misy ozinin’ny orinasa, mamokatra ny Eau Vive izy ireo. Teo ihany koa ny faritra Vakinankaratra izay misy ozinina sy masoivoho Star. Zanakazo 20.000 isa no novolen’ny mpiasa tamin’ireo faritra roa ireo. Nahitana kininina, zakaranda, akasia, sns, izany. Tanjona ny hamoronana ala misy zavamaniry samihafa, araka ny filàn’ny toerana, ka natao mifanaraka amin’ny toe-tany koa ny safidy amin’ireo zanakazo nambolena.
Tsy namboly fotsiny, fa manao ny fitsirihana sy ny fikolokoloana ary ny fiambenana ny faritra novolena ny Star. Nisy ny taninketsa nokarakaraina manokana tamin’ity taona ity, tamin’ny alalan’ny Malto Antsirabe, ho fanampin’ny taninketsa fambolena zanakazo any Andranovelona. Natao mba hahafahana mamatsy zanakazo ireo toeram-pambolena isan-taona izany, hifanaraka amin’ny filan’ny Star sy ny mpiara-miombon’antoka aminy. Afaka mamatsy zanakazo hatrany amin’ny 90.000 isa, izay misy karazany 10 ny taninketsa.
Zo ny Aina