Fanolanana tambabe : olona enina niakatra fampanoavana

Niatrika mpitsara mpanao famotorana omaly ireo enin-dahy voatondro ho nanolana ankizivavy 13 taona tao Toliara, iray volana lasa izay. Naharitra ora maro ny fanadihadiana ary naverina teny amin’ny fitsarana indray ny raharaha ny tolakandro. Fantatra fa mpanakanto ireto voarohirohy ho nanolana ankizy tsy ampy taona ireto. “Nihazo ny renivohitra kosa ilay namany fahafito voasaringotra amin’ity raharaha ity”, hoy ny polisy ao an-toerana. Tsiahivina fa tratran’ny fanolanana faobe tao Tsimenatsy io ankizivavikely io saingy tsy sahy nitantara ny zava-nanjo azy. Norahonana izy tsy hilaza na inona na inona. Iray volana taorian’izay nihombo anefa ny aretiny ka voatery nentina teny amin’ny hopitaly izy. Teo vao fantatra sy nilaza ny tranga na­hazo azy ity ankizivavikely ity. Etsy ankilany, nisokatra ny famotorana ka voasambotra ny ankamaroan’ireo voarohirohy tamin’ity habibiana mahatsiravina ity.

Henintsoa H.

Partager sur: