Nivory tetsy Ambatonakanga ireo mpikambana ao amin’ny firaisamonim-pirenena Rohy omaly. Namaritra ny paikady sy ny sehatra hiasana amin’ity taona 2023 ity izy ireo. Anisan’izany, ny fanaraha-maso ny fifidianana sy fanentanana ny olom-pirenena. “Mba hisian’ny fidianana madio sy mangarahara eto amin’ny Nosy. Tsy ho tratra ny vina napetraky ny Ceni, mbola ambany ny tahan’ny olona mifidy ankehitriny raha mihoatra amin’ny vina napetraka”, hoy ny filohan’ny firaisamonim-pirenena Rohy, Andriamoraniaina Harijaona. Nilaza izy fa tsy ampy ny serasera sy ny fanentanana ny olona. Tsy ampy ny fotoana napetraky ny Ceni hananterahana ny asa. Tsy ampy ihany koa ny fandraisan’ny fokontany andraikitra. “Tsy matoky ny rafitra mitantana ny fifidianana sy ireo mpanao politika ihany koa ny olona”, hoy hatrany izy. Nohamafisiny fa mampanantena poakaty ny ankamaroan’izy ireo ka mampanahy ny ankamaroan’ny olona. Satria tsy manantanteraka ny fanamby natao nandritra ny fampielezan-kevitra ny nahazo fahefana.
“Tokony arahin’ny fanjakana ny lalàna mifehy ny fifidianana, tokony hisy fifidianana filoham-pirenena sy ben’ny tanàna ary mpanolo-tsainan’ny tanàna amin ‘ity taona ity”, hoy izy. Nilaza izy fa tokony hisy tetibola ahafahana manatanteraka izany.
Fanetsehana ny firaisamonim-pirenena
Efa misy ny fanentanana ny olona eny ifotony ataon’ny firaisamonim-pirenena malagasy. Mba hanaraha-maso sy ny hanentanana ny olona hisoratra anarana ao amin’ny lisitry ny mpifidy. Natao tao anatin’ny fokontany miisa 2000 sy distrika miisa 48 manerana ny Nosy izany. Hisy ny tatitra mikasika izany aoriana kely, hoy ny fanazavana. Mbola mitohy ny fanetsehana ny olona, mba handray anjara mavitrika sy hanana safidy voahevitra amin’ny olona hofidiana.
Mino (mpianatra asa)