Fitsaram-bahoaka : mpangalatr’omby matin’ny fokonolona

Niharan’ny hatezeram-bahoaka rehefa nikasa hanohitra, maty ny jiolahy iray voatondro ho nangalatr’omby tao Mahatsinjo, kaominina ambanivohitra Antanambao, distri­kan’Antsirabe II, ny alahady teo. Nitrangana halatr’omby tao amin’io fokontany io. Tsy hita popoka ny omby iray ka nanao fanarahan-dia ny fokonolona. Lohan’omby sisa hi­tan’izy ireo. Tsy lavitra teo amin’io toerana io, nisava ny tokantrano manodidina ireto mpanara-dia. Kinanjo, sarona tao amin’ny tokantrano roa samihafa ny henan’omby niaraka tamin’ny tongony. Nifa­na­raka taorin’io ireo fokonolona fa hoentina mihazo ny tobin’ny zandary ilay nangalatra. Nanohitra tampoka ny andrimasom-pokonolona anefa izy. Niakatra ny hatezeran’ny fokonolona ka raikitra ny fikasihan-tanana. Vokany, maty tsy tra-drano ilay mpangalatra.

Nodorana ny trano…

Poa toy izay, nirifatra nandositra ireo olona nipetraka tamin’ny tokantrano nahitana ireo hena. Nopotehin’ ny fo­konolona noho ny hatezerany koa ny tranon’io mpangalatra io. Tsy misy hialofana intsony, arak’izany, ny vadiny sy ny zanany dimy. Natsidiky ny mpitandro filaminana ao an-toerana fa voararan’ny lalàna ny fampiharana ny fitsaram-bahoaka. Mampitandrina ireo dahalo sy jiolahy koa izy ireo satria efa tezitra ny vahoaka amin’izao fotoana.

Tsiferana R.

Partager sur: