Harena an-kibon’ny tany : nanaovana atrikasa ho fiarovana amin’ny kolikoly

Nohamafisin’ny Transparency International –Initiative Madagascar (TI-MG) ny ady atao amin’
ny kolikoly ho fiarovana ny harena an-kibon’ny tany. Nanaovana atrikasa izany tao amin’ny Hôtel Centell Antanimena, ny faran’ny herinandro teo.

Hatramin’ny taona 2020 ny Fikambanana Schmidt Family Foun­dation amin’ny alalan’ny Saving Lives I, II, III no miady amin’ny kolikoly ao anatin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Miady ihany koa amin’ny famotsiam-bola, sy amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona, fanamparam-pahefana amin’ ny fanangonam-bokatra ataon’ ireo manam-pahefana sasany.Tanjona ny hisian’ny fitantanana madio sy ny ady amin’ny fitondrana gaboraraka ao anatin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany.

Ny fikarohana avy amin’ ny tambanjotra Malina, maneho ny maha samy hafa ny harena an-kibon’ny tany, fihariana anisan’ny matanjaka, sy ny fahantran’ny mponina any am-potony, tsy mahita mangirana amin’ny harena eo aminy. Trangan-javatra mampiseho ny kolikoly misy ifandraisany hatrany ivelany ma­nodina izany, manodina vola vahiny azo avy amin’ny fi­trandrahana harena an-kibon’ ny tany.
Koa laharam-pahamehana takina amin’ny fitondram-panjakana malagasy ny hisian’ny paikady mahomby ho fiarovana ny fitrandrahana io fihariana io, antoky ny fampandrosoana ny tanindrazana sy ny mponina.
Ny amin’ny fanomezan-dalana
Hita anefa ny mety hisehoan’ny kolikoly ny amin’ny fanomezan-dalana hitrandraka harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara. Mety misy akony ratsy amin’ny lafiny sosialy sy tontolo iainana miantefa amin’ny zon’olombelona.
Notombanan’ny TI-MG ny fiantraikan’izany eo amin’ ny sehatra sosialy samihafa, any amin’ny lahy sy ny vavy. Ny tanjona dia hanamafy ny ady amin’ny kolikoly sy hanome lanja ny asan’ny vehivavy amin’io sehatra io.
Ny fanadihadiana natao tany Ambaliha, Ankin­ga­meloka, Bemanevika, An­tsi­rabe, nanehoana fa misy loza risoriso mananontanona.

Zon’ny fananan-tany
Ny tena mahazo vahana ny tsy firaharahiana ny zon’ny fa­nanan-tany, ny fanaovana tsinontsinona ny zon’ny vehivavy, hery famoretana mahazo ireo olona miaro ny tombon­tsoam-bahoaka, ary ny tsy fa­na­jana lalàna sy tsy fisian’ ny fi­fanarahana mazava any amin’ ny faritra azo trandrahina.
Mila havaozina ny lalàna sy ny politika nasionaly eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Hahafahan’ireo mponina marefo mahazo ny zo feno izany, sy hahafahan’izy ireo mahita ny tombontsoany. Etsy an-daniny ny fanjakana sy ny orinasa mpitrandraka azo takina amin’ny andraikiny.
Mila mitovy ny vavy sy ny lahy isaky ny orinasa. Ny firaisamonina sivily andrasana hiaro ny vehivavy any amin’ ireo faritra ianjadian’ny tsy fitoviana, ary takina ny fanajana ny fifanarahana eo amin’ izay rehetra manana andraikitra amin’izany.

Ndrina

Partager sur: