Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka: “Tsy nanome fahazoan-dalana hampianatra ho mpitsabo nentim-paharazana”

Namoaka naoty fampahatsiahivana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka manoloana ny firongatry ny tsy fanarahan-dalàna eo amin’ny fanatanterahana ny fitsaboana nentim-paharazana.

Tsy maintsy mahazo fahazoan-dalana avy amin’ny minisiteran’ny Faha­salamam-bahoaka ny fanokafana toeram-pitsaboana nentim-paharazana sy ny fanatanterahana fitsaboana mifandraika amin’izany. Tsy manome fahazoan-dalana velively hanofana ho mpitsabo nentim-paharazana ny minisiteran’ny Fahasa­lamam-bahoaka satria nolovaina fa tsy ianarana izany.
Rarana ny fanaovana do­kam-barotra mivantana sy an­kolaka. Tsy azo atao na amin’ny peta-drindrina na ny haino vaky jery ny asa sy ny fanafody ary ny mpitsabo nentim-paharazana, araka ny naoty nataon’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fahasala­mam-bahoaka sonia, Yasmine Lethicia Lydia, navoaka ny faran’ny herinandro teo.
Mbola nanamafy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny profesora Randriama­nan­tany Zely Arivelo, omaly, teny amin’ny HJRA: “hojerena akaiky ny antontan-taratasy momba ny fikambanana Fitra­ma manao ny fitsaboana nentim-paharazana sady nanambara fa mampianatra tanora hifehy ny fitsaboana nentim-paharazana”. Nohamafisiny, fa raha voamarina ny tsy fahatomombanan’ny antontan-taratasy, entina eny anivon’ny fitsarana ny raharaha satria misy fandikan-dalàna ary misy ny sazy mifandraika amin’izay.
“Mazava aloha fa tsy nanome fahazoan-dalana hampianatra ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Maromaro ireo tsy manara-dalàna momba ny fitsaboana nentim-paharazana ka arahan’ny minisitera maso akaiky avokoa”, hoy hatrany izy.

Vonjy A.

Partager sur: