Tsy mbola resy mihitsy i Irlande. Ny Trèfle avy any an-toerana no eo amin’ny laharana voalohany amin’ny fifaninanana izay ho tompondakan’ny Eoropa “6 Nations”. Manana isa 15 miampy “Difference de points” (DP) 51. Resin’i Irlande tamin’ny isa 34 no ho 20 i Italia. Lalaon’ny andro fahatelo ny fifaninanana notanterahina tao amin’ny kianjan’i Olimpico Italia, ny asabotsy lasa teo.
Ankoatra an’Italia, efa nandresy an’i Frantsa tamin’ny isa 32 no ho 19 Irlande. Lalaon’ny andro faharoa ny fifaninanana, notanterahina tao amin’ny kianjan’ny Aviva Stadium, Irlande, ny 11 febroary lasa teo. Mbola nandavo an’i Pays des Galles tamin’ny isa 34 no ho 10 koa izy ireo. Fihaonana ny andro voalohan’ny «6 Nations», natao tao amin’ny kianjan’ny Millenium Stadium, Pays de Galles, ny 4 febroary lasa teo.
Hihaona amin’ny Ecosse i Irlande amin’ny 12 marsa ho avy izao. Lalao hotanterahina ao amin’ny kianjan’ny Murray field Stadium, Ecosse. Marihina fa eo amin’ny laharana faharoa i Ecosse amin’ity fifaninanana “6 Nations” ity.
Fitia (Mpianatra asa)