Samy tomponandraikitra !

Resabe indray tao anatin’ny andro maromaro ny mikasika ny fitsaboana nentim-paharazana. Maivoky ny fanakianana sy ny fiampangana azy ireny ho mpisandoka sy mpisoloky izy ireny. Indrindra ny fikambanana sasany, izay tena efa niroborobo manerana ny Nosy. Mazava ho azy, tsy azo ekena ny filalaovana ny ain’ny olona sy fanandrakandramana amin’ny fahasalamam-bahoaka saingy mipetraka ny fanontaniana. Fa maninona dia navela hiasa malalaka sy efa namaka any anivon’ny fiaraha-monina izy ireny ? Raha tsy nisy ny fitsaram-bahoaka teny amin’ny tambajotran-tserasera izany dia tsy mba voaresaka mihitsy izy ity ?
Mazava ho azy, tsy afaka niasa tamim-pahalalahana ireny, raha tsy misy ny mpiaro azy any ambonimbony any. Misy solombavam­bahoaka iray aza efa nimenomenona mihitsy amin’ny fisian’ny tsikombakomba sy kolikoly avo lenta, ka mahatonga ny sasany tsimatimanota.
Raha somary nangingina ny « bizna » sekoly tsy miankina, izay saika nisy isaky ny sakelin-tanàna,  mahazo vahana ny toeram-pitsaboana, milaza fa nentim-paharazana. Nentim-paharazana anefa toa mampiasa fitaovana moderina be raitra sy manaraka ny teknolojia avo lenta ihany koa ! Mahavalalanina mihitsy ny zava-misy.
Na izany na tsy izany, tsy afaka ny hanao mizana tsindrian’ila isika, hilaza fa diso na tsy ilaina ireny karazana fitsaboana ireny. Anisan’ny nanavotra antsika Malagasy, ohatra, tamin’ny vanim-potoan’ny Covid 19 ny vokatra ED1, avy any Fandriana. Firifiry ny hopitaly lehibe no nampivady ny fitsaboana ny marary tamin’io ranom-panafody io. Mazava ho azy, tsy ny tapa-kazo na ny fitsaboana ataon’ny Malagasy no ratsy na tsy misy ilàna azy, fa ny fanarahana ny lamina sy ny lalàna kosa dia zava-dehibe. Tsy tokony hisy ny handeha an-jambany sy hanao izay danin’ny kibony fa tsy maintsy miditra anatin’ny fenitra.
Mifanindran-dalana amin’izay, tomponandraikitra feno amin’ny firongatry ny fitsaboana mora vidy eny amoron-dalana, sy ny fanambakana ny vahoaka ny fanjakana izay tsy manana politika matotra sy mazava. Tsy araka ny fahefa-mividy ny tolotra ara-pahasalamana. Zary fandraharahana, mora hahazoam-bola betsaka, anaty fotoana fohy ny fanaovana izany. Tsy ny nentim-paharazana ihany, fa hatramin’ny fitsaboana moderina aza. Voafetra ho ana sokajin’olona vitsy ny fisitrahana izany. Ny mpanambola sy ny mpanakarena aza, mitsoaka any ivelany no mila vonjy. Dia homen-tsiny ve izany ny olona raha miraparapa mitsabo tena any amin’izay takatry ny volany ? Aleo rahateo maty rahampitso toy izay maty anio !
Mila samy maka ny andraikiny, tsy mitady olona hanilihana rihatra dia milamina ny zava-drehetra ! tsy afaka ny hiala bala na ny minisitera mpiahy, na ireto mpitsabo nentim-paharazana ireto.

r.r

Partager sur: