« Sarobidy ny aiko »: hetsika sosialy manakaiky vahoaka

Nanainga omaly nihazo an’Anosiala, distrikan’Ambo­hi­dra­tri­mo ny fiarabe maromaro hitondra tolotra ara-pahasalamana maimaim-poana manatona vahoaka « Sarobidy ny aiko ». Miavaka ny tolotra satria mitovy amin’ny omen’ny hopitaly lehibe, miaraka amin’ny fitaovana avo lenta sy mpitsabo manam-pahaizana manokana, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, teny am-piaingana.
Hisitraka ny hetsika sosialy avokoa ny distrikan’Avaradra­no, Atsimondrano, Ambohidra­trimo ary ny boriborintany enina miaraka amin’ny fikambanana Fitia. Rehefa misy diabe ho an’ny fahasalamana, miara-miasa hatrany ny roa tonta. An-jantony ny mpiasan’ny fahasalamana handray an-tanana ireo vahoaka amin’ireo toerana rehetra handalovana. Eny Ilafy no hivantana ny hetsika anio, hitohy any Antanin­katsaka, rahampitso.
Hahazo ny anjarany avokoa ny boriboritany enina. Hofa­ranana eny Mahamasina manoloana ny kianjan’i Barea ny tolotra, ny 8 marsa. Sampam-pitsaboana maro no voakarakara, fanararaotana ho an’ireo tsy afaka manatanteraka izany amin’ny andavanandro noho ny olana amin’ny vola.

Vonjy A.

Partager sur: