Tenisy : handray lalao maro Antananarivo

Araka ny fandaharam-potoan’ny Federasiona ma­lagasin’ny taranja tenisy (FMT), hatao eto Anta­nanarivo ny lalao iraisam-pirenena ho an’ny tanora latsaky ny 18 taona, sokajy lahy sy vavy. Hotontosaina ny 26 jona hatramin’ny 9 jolay ho avy izao. Fifaninanana izay karakarain’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny tenisy (ITF) sy ny kaonfederasion’ny tenisy eto Afrika (CAT). Hatao eto andrenivohitra ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, taranja Tenisy. Hanomboka ny 23 aogositra hatramin’ny 3 septambra ny fifaninanana.
Hotontosaina eto amin’ny faritra Analamanga koa ny lalao iraisam-pirenena izay volavolain’ny ITF sy ny CAT, ho an’ny tanora lahy sy vavy latsaky ny 14 taona. Hotan­terahina ny 11 hatramin’ny 24 septambra. Aorian’io handray ny lalao U18 lahy sy vavy indray ny eto Antananarivo, ny 25 septambra hatramin’ny 8 oktobra ho avy izao. Ma­rihina fa ny ITF sy ny CAT no mikarakara io fifaninanana U18 io.

BJ King Cup sy ny Davis cup
Azo heverina ny hanaovana ny fifaninanana Billie Jean Cup King na Fed Cup sy ny Davis Cup eto Madagasikara, saingy mbola miandry ny taratasy fahazoan-dalan’ny FMT ny amin’ny handraisan’ Antananarivo ity lalao iraisam-pirenena ity. Fifanina­nana miaraka manomboka ny 12 jona hatramin’ny 17 jona. Marihina fa ny Billie Jean King Cup dia fifaninanana natao ho an’ny ekipa vehivavy ary miisa 18 ny mpandray anjara. I Aotsralia no tompondaka tamin’ny farany teo, taona 2022. Ny Davis Cup kosa natao ho an’ny ekipa lehilahy ary i Canada no tompondaka farany tamin’ny taona 2022.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: